Andro faharoa: i Md Dominika sy ny fitiavam-bavaka
“Nampitodika marina ny fony amin’ny Tompo izy, ary nanamafy ny fitiavam-bavaka, tamin’ny andron’ny mpankahala fivavahana”
Eklesiastika 49,3
Nomen'Andriamanitra fahasoavana manokana ho an'ny mpanota, ny mahantra sy ny ory i Md Dominìka de Guzman. Nentiny tao amin'ny fitoerana masin'ny famindram-pony ny ranomaso nivoaka tamin’ny masony, ny loza mampangotraka ny masony dia naneho ny hafanam-po nirehitra tao anatiny izany. Tamin’izany i Md Dominìka dia nanana fahazarana mandany ny alina amin'ny fivavahana. Raha vao mikatona iny ny varavaran’ny trano nitoerany, dia indro izy mivavaka amin’ny Rainy izay any an-danitra. Nandritra ny vavaka nataony sy tamin’ny fiafaran’ny vavaka nataony, dia nanonona fitarainana sy teny izay nipololotra tao am-pony izy. Tsy nahatanty ny tenany izy, ary nivoaka tamim-pahadodonana ireo fitarainana ireo, re mazava avy any ambony. Manana ny fomba fivavahana mampiavaka azy ihany koa i Md Dominìka. Ka ny fihetsika voalohany anehoany izany dia ny fiondrehana manoloana ny sarin’i Jesoa, maneho fa tena eo mihitsy i Jesoa, fa tsy sariny fotsiny io manoloana azy io. Mahazatra azy ihany koa ny miankohoka tanteraka amin’ny tany mba hatsapany lalina ao am-pony ilay tena fangorahan’Andriamanitra azy. Ka amerenany ao am-bavany amin’ny feo avo ny voalaza ao amin’ny Evanjely nosoratan’i Md Lioka 18,13 manao hoe « Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko fa mpanota aho. » Rehefa avy niankohoka i Md Dominìka dia nitsangana tamin’ny tany ary nanao fivalozana tamin’ny tenany, nanao hoe: « Iza no mahay manavaka ny fahadisoany? Diovy aho Tompo ho afaka amin'izay mandositra ahy. » (Sl 18:36) Avy eo, nifantoka tamin'ny Hazofijaliana ny masony. Ary nataon’ i Md Dominìka tamim-pitandremana izany. Nandohalika hatrany hatrany izy, ary hatrany amin’ny in-jato izy no manao izany fandohalihana izany. Mijoro manoloana ny Ôtely ihany koa i Md Dominìka mba anolo-tena anoloan’Andriamanitra. Sokafany ary velariny sy asandrany ny tanany ataony endrika lakroa mba angatahany Fahasoavan’Andriamanira izany. Rahefa izany dia mamaky ny Tenin’Andriamanitra izy ary manoroka Izany avy eo. Ary farany, tsy mijanona amin’ny toerana iray izy raha nandeha nitory ny Fanjakan’Andriamanitra fa vitany ny manao “dia vavaka” mandeha an-tongotra amin’ny kilometatra maro mba iresahany tsy mitsahatra amin’Andriamanitra.
Mivavaha ho anay ry Md Dôminìka
Mba ho tonga mendrika hahazo ny nampanantenain’i Jesoa Kristy izahay.
Aoka isika ivavaka:
Ry Andriamanitra Trinite Masina, Izay nifidy anay sy nanendry anay ho zanaka malalanao, mendrika hoderaina Ianao nanome anay an’i Md Dominìka, kintana arahinay ety. Miangavy Anao izahay mba hanamasina anay tsy hisy loto noho ny vavaky Md Dominìka rainay, ka mba henoy izao vavaka fangatahanay fahasoavana miaraka aminy. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay no angatahanay izany. Amen!
Vavaka fangatahana fahasoavana mandritra ny hasivianandro amin’i Md Dominique
Ry Md Dôminìka, fanta-daza tamin’ny finoana an’i Kristy, nandao ny harena sy ny voninahitry ny tany ianao mba hanaraka ny fiainana feno fahantrana sy fijaliana izay nampiavaka ireo mpianatr’i Kristy, ilay nilaza hoe « Raha misy te-hanaraka Ahy, aoka izy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy. ».
Misaotra an’Andriamanitra aho noho ny halehiben’ny fahamasinanao; sy ny fahasoavana manokana izay nampiavaka anao. Mihanta aminao aho, mitalaho amin’Andriamanitra Ray ny fahasoavana ahafahako mamongotra ato am-poko izay rehetra tsy mendrika eo imasony, indrindra ny fahazaran-dratsy izay mahalavo ahy matetika. Mihanta aminao koa aho ry Md Dominika, mivavaha ho ahy mba hahazoako ny fahasoavana izay angatahiko mandritra izao hasivianandro izao : .........................(Mangina kely milaza ireo fahasoavana irinao angatahina)
Ry Maria Renin’Andriamanitra be voninahitra, Mpanjakavavin’ny Raozery Masina indrindra, izay nitia an’i Md Dôminìka tamin’ny fitiavan-dreny, ary notiaviny sy nohajainy fatratra, jereo amin’ny fo miantra izahay noho ny fahamendrehany, ka ento miaraka aminy eo amin’i Jesoa Zanakao izany fangatahanay izany. Maniry izahay manomboka izao, ny ho tia an’i Jesoa Zanakao amin’ny fonay manontolo sy ny herinay rehetra, ary mametra-tena eo ambany fiarovanao, mba hahazoanay ny fahasoavana rehetra hanompoanay Azy amim-pinoana ety an-tany, ka hiara-paly Aminy mandrakizay any an-danitra. Amen!
