Saint dominique

Andro fahatelo: i Md Dominika, olon’ny famindram-po

Hasivian'andro iarahana amin'i Md Dominika


Andro fahatelo: i Md Dominika, olon’ny famindram-po

Bible icon

“izay matahotra ny tompo, mitady izay sitrany, ary izay tia azy mivoky ny lalàny. izay matahotra ny tompo, mamboatra ny fony, ary mampaharitra ny fanahiny amim-panetren-tena eo anatrehany, manao hoe: ho lavo eo an-tànan'ny tompo izahay, fa tsy eo an-tanan'ny olombelona; satria, araka ny haben'ny fahefany no haben'ny famindram-pony koa.”

Eklesiastika 2,16-18

 
Nandray ny olona rehetra ho ao amin'ny halehiben'ny famindram-pony i md dominika de guzman, satria tia ny olona rehetra izy, sady tia azy ihany koa ny olona rehetra nanodidina azy. nataony lalàna manokana ny hiara-mifaly amin'ny olona falifaly sy ny miara-mitomany amin'izay malahelo, mihoa-pampana amin'ny firaiketam-po amin’ny fivavahana izy ary nanokan-tena tanteraka hikarakara ny mpiara-belona aminy. satrin’i md dominìka hiombom-pihetseham-po amin’ny olona sahirana.
na dia nantsoin’ny fiangonana hoe “ivoaran’ny fahadiovana” aza i md dominìka ary ny mpahay zava-kanto kristianina dia maneho an-tsary azy mitana vonikazo lisy, dia tsy nitsahatra nitomany noho ny fahotana izy. ny fanahiny dia feno fibebahana sy asa fivalozana; ary fanenenana kosa no masaka tao am-bavany. rehefa mahita vohitra na tànana izy dia mitomany noho ny fahotana izay ataon’ny mponina ao amin’andriamanitra. izany fahorian-tsainy izany dia tsy mijanona fotsiny ao anatin’ny saina amam-panahiny fa mitarika azy hanao asa fivalozana ho fibebahana. intelo izy isan’alina no mikapoka ny tenany: indray noho ny fahotany, indray noho ny fahotan’ny hafa, ary indray ho an’ireo fanahy mijaly. nifady hena matetika izy, na dia any am-pandehanana aza ka tsy mihinan-kena na sakafo andrahoana amin’ny hena. ny fifadian-kanina nataony dia sady mafy no mitohy tsy an-kiato, eny fa na dia mitety an’i eoropa mandeha an-tongotra aza izy sy mitory teny isan’andro dia mifady hanina manomboka ny volana septambra ka hatramin’ny paka. tsy mba nanan-trano ho azy manokana izy fa natory teny rehetra teny: teo amin’ny tany, teo amin’ny ôtely. satria mpanaja fatratra ny fitsipika i md dominìka, dia tsy tiany ny fandikan-dalàna ka saziany izany, saingy am-pitiavana tanteraka ka neken’ny rehetra sy notadiavina aza indraindray.
“Raha tsy manana fahotana itomaniana ianareo” hoy i md dôminìka “dia mitomania ihany toa an’i jesoa tompontsika, ary mitalahoa ho an’ireo mpanota mba hibebaka izy ireo”.
 
 
celebrant

Mivavaha ho anay ry Md Dôminìka

 
public

Mba ho tonga mendrika hahazo ny nampanantenain’i Jesoa Kristy izahay.

 
celebrant

Aoka isika ivavaka:

 
Praying Hands

Ry Andriamanitra Trinite Masina ô, omeo ny famindram-ponao re izahay izay mavesatra entana noho ny fahotanay, mba ho tonga olon’afaka izahay noho ny vavaka fangatanan’i Md Dominìka rainay Aminao isan’andro. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay no angatahanay izany. Amen!

 
 
 

Vavaka fangatahana fahasoavana mandritra ny hasivianandro amin’i Md Dominique

 
Ry Md Dôminìka, fanta-daza tamin’ny finoana an’i Kristy, nandao ny harena sy ny voninahitry ny tany ianao mba hanaraka ny fiainana feno fahantrana sy fijaliana izay nampiavaka ireo mpianatr’i Kristy, ilay nilaza hoe « Raha misy te-hanaraka Ahy, aoka izy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy. ».
 
Misaotra an’Andriamanitra aho noho ny halehiben’ny fahamasinanao; sy ny fahasoavana manokana izay nampiavaka anao. Mihanta aminao aho, mitalaho amin’Andriamanitra Ray ny fahasoavana ahafahako mamongotra ato am-poko izay rehetra tsy mendrika eo imasony, indrindra ny fahazaran-dratsy izay mahalavo ahy matetika. Mihanta aminao koa aho ry Md Dominika, mivavaha ho ahy mba hahazoako ny fahasoavana izay angatahiko mandritra izao hasivianandro izao : .........................(Mangina kely milaza ireo fahasoavana irinao angatahina)
 
Ry Maria Renin’Andriamanitra be voninahitra, Mpanjakavavin’ny Raozery Masina indrindra, izay nitia an’i Md Dôminìka tamin’ny fitiavan-dreny, ary notiaviny sy nohajainy fatratra, jereo amin’ny fo miantra izahay noho ny fahamendrehany, ka ento miaraka aminy eo amin’i Jesoa Zanakao izany fangatahanay izany. Maniry izahay manomboka izao, ny ho tia an’i Jesoa Zanakao amin’ny fonay manontolo sy ny herinay rehetra, ary mametra-tena eo ambany fiarovanao, mba hahazoanay ny fahasoavana rehetra hanompoanay Azy amim-pinoana ety an-tany, ka hiara-paly Aminy mandrakizay any an-danitra. Amen!
 
 
 
 
 
 

andro fahatelo

Aimer et Servir