Hasivian'andro iarahana amin'i Md Dominika
Andro fahadimy: I Md Dominika, voatokana ho an'i Masina Maria

“Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao, ary nosoavina ny hateraky ny kibonao. Ary avy aiza amiko moa izao no mba vangian’ny renin’ny Tompoko aho? “
Hatrany am-piandohana i Md Dôminìka dia nifandray hatrany tamin’i Masina Maria. Nanana fitiavana manokana azy izy. Ny fanoloran-tenany ho an’i Masina Maria dia nalainy tahaka araka ny zava-misy ny amin’ny fahatongavan’ny Tenin’Andriamanitra ho nofo mba ho loharanom-pamonjena sahala an’i Jesoa Kristy tonga nofo tety an-tany. Tsy izy ve no nahatongavan’ny Teny ho nofo?
Tamin’ny taona 1208 tao Prouilhe no nisehoan’i Masina Maria tamin’i Md Dôminìka ka nanolorany azy ny Sapile, sy nanirahiny azy hanao ny Raozery araka ny endriny ahitantsika azy ankehitriny. Nampianariny sy nentaniny i Md Dôminìka mba hanao io vavaka Raozery io mba hanoherana ny fiparitahan’ny “Cathares” izay fampianaran-diso. Ny fikambanana naoriny, ny fiainany sy ny asany dia napetrany teo ambany fiarovan’i Masina Maria hatrany. Dôminikanina iray antsoina hoe Alain de la Roche no isan’ny nanaparitaka io vavaka Raozery io tamin’ny taonjato faha-15 ho fomba fandinihana ny fiainan’i Kristy. Ka ireo rahalahy sy anabavin’i Md Dôminìka tanatin’ny fikambanana dia namakafaka lalina ireo Misterin’i Kristy ireo niaraka tamin’i Masina Maria, Ilay nisaintsaina izany tao am-pony.(Lioka 2,19)

Mivavaha ho anay ry Md Dôminìka

Mba ho tonga mendrika hahazo ny nampanantenain’i Jesoa Kristy izahay.

Aoka isika ivavaka:

Ry Andriamanitra Trinite Masina ô, ny fitiavanay sy ny fahatahoranay Anao, izay tena tia Anao
sy tianao koa, dia ankininay amin’ny fiaroavan’i Masindahy Dôminìka de Gùzman sy i Masina
Maria Virjiny Reny Mpiaro an’i Madagasikara, ny fiainanay feno fanantenana Anao. Ary
aorian’izao fivahiniananay eto an-tany fandalovana izao dia manantena izahay fa haneho
aminay ny Zanakao, Jesoa Tomponay, Ianao amin’ny andro farany. Amen!
Vavaka fangatahana fahasoavana mandritra ny hasivianandro amin’i Md Dominique
Ry Md Dôminìka, fanta-daza tamin’ny finoana an’i Kristy, nandao ny harena sy ny voninahitry ny tany ianao mba hanaraka ny fiainana feno fahantrana sy fijaliana izay nampiavaka ireo mpianatr’i Kristy, ilay nilaza hoe « Raha misy te-hanaraka Ahy, aoka izy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy. ».
Misaotra an’Andriamanitra aho noho ny halehiben’ny fahamasinanao; sy ny fahasoavana manokana izay nampiavaka anao. Mihanta aminao aho, mitalaho amin’Andriamanitra Ray ny fahasoavana ahafahako mamongotra ato am-poko izay rehetra tsy mendrika eo imasony, indrindra ny fahazaran-dratsy izay mahalavo ahy matetika. Mihanta aminao koa aho ry Md Dominika, mivavaha ho ahy mba hahazoako ny fahasoavana izay angatahiko mandritra izao hasivianandro izao : .........................(Mangina kely milaza ireo fahasoavana irinao angatahina)
Ry Maria Renin’Andriamanitra be voninahitra, Mpanjakavavin’ny Raozery Masina indrindra, izay nitia an’i Md Dôminìka tamin’ny fitiavan-dreny, ary notiaviny sy nohajainy fatratra, jereo amin’ny fo miantra izahay noho ny fahamendrehany, ka ento miaraka aminy eo amin’i Jesoa Zanakao izany fangatahanay izany. Maniry izahay manomboka izao, ny ho tia an’i Jesoa Zanakao amin’ny fonay manontolo sy ny herinay rehetra, ary mametra-tena eo ambany fiarovanao, mba hahazoanay ny fahasoavana rehetra hanompoanay Azy amim-pinoana ety an-tany, ka hiara-paly Aminy mandrakizay any an-danitra. Amen!