Hasivian'andro iarahana amin'i Md Dominika
Andro fahafito: I Md Dominika, olon’ny fandinihan-tena ary sakaizan’ny eokaristia

« fa ianao kosa raha hivavaka, dia midira ao amin’ny efitranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavarana, dia mivavaha amin’ny rainao izay ao amin’ny mangingina, ary ny rainao izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly anao. »

« izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako, dia mitoetra ao anatiko, ary izaho ao anatiny. »
Maha-te hidera ny fampihafian-tena na sakrifisy nananan’ity rain’ny hatsaram-panahy ity, dia i md dominika de guzman izany, teo ihany koa ny fahalebeazan’ny herin’ny fanahin’ny fahafoizan-tena tao aminy, izay notovoiziny tao amin’ny tenin’andriamanitra, na tamin’ny alalan’ireo antsan-kira izany, na tamin’ny alalan’ireo tenin’andriamanitra nifampizarana nandritra ny sakafo iombonana. Matetika izy no nitokana tao amina toerana iray mba hamaky boky masina sy hivavaka, na tao an’efitranony izany na teny ivelany rehetra teny ho eny. nanangona izany harem-panahy sarobidy izany tao aminy i md dominika, no sady nifantoka tanteraka tamin’andriamanitra ka nahatonga azy ho olon’ny fandinihan-tena.
Tamim-pahanginana tanteraka no nipetrahany hamaky izay boky masina nisokatra teo anoloany rehefa iny izy avy nanao ny famantaran’ny hazofijaliana iny. Ary hafaliam-po mamy no mameno ny fanahiny mandritra izany fotoana izany. Moa ve tsy toy ny hoe mandre ny tompo izy tenany mihitsy miresaka aminy? i etienne, iray tamin’ireo frera dôminikanina rahalahiny, no nitantara fa matetika izy no nanatrika lamesa notarihan’i frera dominika, ary mandritra ny fankamasinana dia ranomaso foana no tazany nijohy teo amin’ny masony sy nitete teny amin’ny tavany. nanolotra ny sorona masina sy nanonona ny vavaka dôminikaly tamin-kafanam-po izy, ary izany no nampamirampiratra ny fanoloran-tenany teo imason’ireo mpanatrika ny lamesa. Tsy mbola nisy, hoy i frera etienne, fotoana nankalazako ny lamesa niaraka tamin’i frera dominika ka tsy nahitako azy nandatsa-dranomaso.

Mivavaha ho anay ry Md Dôminìka

Mba ho tonga mendrika hahazo ny nampanantenain’i Jesoa Kristy izahay.

Aoka isika ivavaka:

Ry Jesoa Velona Vatana sy Fanahy ao amin’ny Eokaristia Masina, Ilay Vatsy sy Aina
ahafahanay mandinika ny Sitrapon’ny Ray, nomenao an’ i Md Dominìka ny fahaizana
mandinika andro aman’alina ny tsiambarantelon’ny Hazofijalianao, sy ny Misterin’ny
Fitiavanao, izay anoloranao ho anay isan’andro ny Tenanao sy ny Teninao. Ry Tompo
Andriamanitray o, mitalaho manokana Aminao izahay ho an’ireo Pretra sy Relijozy eto
amin’ity firenenay ity sy manerana izao tontolo izao izay nantsoinao izara ho anay io
Sakramentan’ny Fitiavanao io, omeo azy ireo ny hafanam-po sy ny fanehoam-pitiavana
lavorary nanan’i Md Dominìka nankalaza sy nanolotra ny Sorona Masina, ary omeo Pretra
masina sy maro ny firenenay. Amin’ny alalan’i Jesoa Zanakao Tomponay. Amen!
Vavaka fangatahana fahasoavana mandritra ny hasivianandro amin’i Md Dominique
Ry Md Dôminìka, fanta-daza tamin’ny finoana an’i Kristy, nandao ny harena sy ny voninahitry ny tany ianao mba hanaraka ny fiainana feno fahantrana sy fijaliana izay nampiavaka ireo mpianatr’i Kristy, ilay nilaza hoe « Raha misy te-hanaraka Ahy, aoka izy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy. ».
Misaotra an’Andriamanitra aho noho ny halehiben’ny fahamasinanao; sy ny fahasoavana manokana izay nampiavaka anao. Mihanta aminao aho, mitalaho amin’Andriamanitra Ray ny fahasoavana ahafahako mamongotra ato am-poko izay rehetra tsy mendrika eo imasony, indrindra ny fahazaran-dratsy izay mahalavo ahy matetika. Mihanta aminao koa aho ry Md Dominika, mivavaha ho ahy mba hahazoako ny fahasoavana izay angatahiko mandritra izao hasivianandro izao : .........................(Mangina kely milaza ireo fahasoavana irinao angatahina)
Ry Maria Renin’Andriamanitra be voninahitra, Mpanjakavavin’ny Raozery Masina indrindra, izay nitia an’i Md Dôminìka tamin’ny fitiavan-dreny, ary notiaviny sy nohajainy fatratra, jereo amin’ny fo miantra izahay noho ny fahamendrehany, ka ento miaraka aminy eo amin’i Jesoa Zanakao izany fangatahanay izany. Maniry izahay manomboka izao, ny ho tia an’i Jesoa Zanakao amin’ny fonay manontolo sy ny herinay rehetra, ary mametra-tena eo ambany fiarovanao, mba hahazoanay ny fahasoavana rehetra hanompoanay Azy amim-pinoana ety an-tany, ka hiara-paly Aminy mandrakizay any an-danitra. Amen!