Hasivian'andro iarahana amin'i Md Dominika
Andro fahavalo: I Md Dominika, olon’ny tenin'Andriamanitra

« Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny, dia tao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ny Teny. Tao amin'Andriamanitra tamin'ny voalohany izy. Izy no nahariana ny zavatra rehetra, ary raha tsy izy, tsy nisy àry ny zavatra àry rehetra. Tao aminy ny fiainana, ary ny fiainana no fahazavan'ny olona. Ary mamirapiratra amin'ny maizina ny fahazavana, fa tsy nandray azy ny maizina. »
Na tamin’ny alalan’ireo teny izay naloaky ny vavany, na tamin’ny alalan’ireo taratasy izay nosoratany, dia tsy nitandro hasasarana i Frera Dôminìka, nanome fankaherezana ireo frera rehetra tao amin’ny fikambanana, mba handalina sy hamaofivaovy ary hianatra tsy an-kijanona ny Testamenta Taloha mbamin’ny Testamenta Vaovao. Raha araka ny fampianarany manko dia zava-poana ihany ny Tenin’Andriamanitra raha tsy iainana sy ateraka ho nofo. Tena tiany tokoa ny miresaka amin’Andriamanitra sy ny miresaka an’Andriamanitra, ary laharam-pahamehana ho azy mihitsy izany. Noho izany, nentiny teny aminy mandrakariva ny Boky Masina mirakitra ny Evanjely Masina araka ny nosoratan’i Masindahy Matio sy ireo taratasain’i Masindahy Paoly Apôstôly. Tsy nitsaha-nianatra ireo izy, ary zary laniny tsy an-jery mihitsy aza ny Soratra Masina. Tena nampitola-gaga olona maro io fahaizany ny Soratra Masina io; indrindra moa fa ireo fampianarany mbamin’ireo asa sorany.

Mivavaha ho anay ry Md Dôminìka

Mba ho tonga mendrika hahazo ny nampanantenain’i Jesoa Kristy izahay.

Aoka isika ivavaka:

Ry Jesoa Kristy Teny tonga nofo ô, Ianao no ahalalanay ny Ray amin’ny alalan’ny
fampianaranao sy ny asa ataonao. Mba omeo anay mpanara-dia Anao ny Fahasoavanao ho
entinay mibanjina Anao; fa indrindra ho entinay mahalala sy mikatsaka Anao lalandava araka
ny fampianaran’ny Evanjely. Amen!
Vavaka fangatahana fahasoavana mandritra ny hasivianandro amin’i Md Dominique
Ry Md Dôminìka, fanta-daza tamin’ny finoana an’i Kristy, nandao ny harena sy ny voninahitry ny tany ianao mba hanaraka ny fiainana feno fahantrana sy fijaliana izay nampiavaka ireo mpianatr’i Kristy, ilay nilaza hoe « Raha misy te-hanaraka Ahy, aoka izy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy. ».
Misaotra an’Andriamanitra aho noho ny halehiben’ny fahamasinanao; sy ny fahasoavana manokana izay nampiavaka anao. Mihanta aminao aho, mitalaho amin’Andriamanitra Ray ny fahasoavana ahafahako mamongotra ato am-poko izay rehetra tsy mendrika eo imasony, indrindra ny fahazaran-dratsy izay mahalavo ahy matetika. Mihanta aminao koa aho ry Md Dominika, mivavaha ho ahy mba hahazoako ny fahasoavana izay angatahiko mandritra izao hasivianandro izao : .........................(Mangina kely milaza ireo fahasoavana irinao angatahina)
Ry Maria Renin’Andriamanitra be voninahitra, Mpanjakavavin’ny Raozery Masina indrindra, izay nitia an’i Md Dôminìka tamin’ny fitiavan-dreny, ary notiaviny sy nohajainy fatratra, jereo amin’ny fo miantra izahay noho ny fahamendrehany, ka ento miaraka aminy eo amin’i Jesoa Zanakao izany fangatahanay izany. Maniry izahay manomboka izao, ny ho tia an’i Jesoa Zanakao amin’ny fonay manontolo sy ny herinay rehetra, ary mametra-tena eo ambany fiarovanao, mba hahazoanay ny fahasoavana rehetra hanompoanay Azy amim-pinoana ety an-tany, ka hiara-paly Aminy mandrakizay any an-danitra. Amen!