Hasivian'andro iarahana amin'i Md Dominika
Andro fahasivy: I Md Dominika, Mpitoriteny hikohizana

Ary hoy ny Apostoly tamin’ny Tompo: Ampitomboy ny fonoanay. Fa hoy ny Tompo: Raha manampinoana hoatra ny voantsinampy iray ianareo, dia mahazo milaza amin’io voaroihazo io hoe: Miongota, ka mifindra any anatin’ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy.
Indray andro I Md Dôminìka de Guzmán, raha nitory teny teny amoron-dranomasina, dia nosamborin’ny jiolahin-tsambo Tirka, ka nokasainy haondrana hamidy any an-dafin’ny ranomasina. Kinanjo, nony mby teny ampovoan-dranomasina ny sambo nitondra azy ireo, dia nivadika tampoka ny toetry ny andro, ka nanonja mafy sy nisamboaravoara tsisy toy izany ny ranomasina. Nikoropaka sy raiky tahotra fatratra ary ireo jiolahy nitondra azy; ka nony efa nilazalazan’I Dôminìka de Guzmán ny momba an’I Jesoa Kristy kelilikeky teo ireo jiolahy ireo, dia nibaboka sy nihaiky ny hadisoany ary nangatam-pamelana ka niantso vonjy tamin’I Dôminìka de Guzmán. Dia notenenin’I Dôminìka de Guzmán ny ranomasina ka tony niaraka tamin’izay, dia niroso soamantsara ny sambo nandehanan’izy ireo ka tody soa tao Bretagne, ary ireo jiolahy tsambo koa dia resiny lahatra ka nanaiky ny hataony batemy.
Ny finoana mafy orina nananan’I Md Dôminìka de Guzmán, no niainany sy nitoriany an’I Jesoa Kristy, ka izay tsy resiny lahatra tamin’ny tory teny sy ny fampianarana, dia ny finoany tsisy tahotra no nentiny nambabo azy ireny, eny fa na dia ny ainy aza dia sahiny natao sorona, nentiny handresen-dahatra ireo “Albigeois” izay nijory ho mpanohitra an’I Jesoa Kristy sy ny Fiangonana Katolika. Koa na dia maty aza I Md Dominika, ny asa nikelezany aina tamim-pinoana kosa dia lovam-panahy sarobidy napetrany ho an’ireo ralahiny nifandimby sy nanaraka ny Lalany.

Mivavaha ho anay ry Md Dôminìka

Mba ho tonga mendrika hahazo ny nampanantenain’i Jesoa Kristy izahay.

Aoka isika ivavaka:

Ry Andriamanitra Trinite Masina o! izay nitari-dalana sy nomba ny fiainan’I Md Dôminìka de
Guzmán, indrindra ireo fampianarany tamim-pinoana, notoriny sy nandreseny lahatra vahoaka
maro, Enga anie izahay mba hanana finoana marina, mahatoky, sy tsy mora mivadika toan’I
Md Dôminìka de Guzmán, nohon’ny vavaka hataony, mba hanohizanay ny lalam-pamonjena
avy aminao. Amen.
Vavaka fangatahana fahasoavana mandritra ny hasivianandro amin’i Md Dominique
Ry Md Dôminìka, fanta-daza tamin’ny finoana an’i Kristy, nandao ny harena sy ny voninahitry ny tany ianao mba hanaraka ny fiainana feno fahantrana sy fijaliana izay nampiavaka ireo mpianatr’i Kristy, ilay nilaza hoe « Raha misy te-hanaraka Ahy, aoka izy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy. ».
Misaotra an’Andriamanitra aho noho ny halehiben’ny fahamasinanao; sy ny fahasoavana manokana izay nampiavaka anao. Mihanta aminao aho, mitalaho amin’Andriamanitra Ray ny fahasoavana ahafahako mamongotra ato am-poko izay rehetra tsy mendrika eo imasony, indrindra ny fahazaran-dratsy izay mahalavo ahy matetika. Mihanta aminao koa aho ry Md Dominika, mivavaha ho ahy mba hahazoako ny fahasoavana izay angatahiko mandritra izao hasivianandro izao : .........................(Mangina kely milaza ireo fahasoavana irinao angatahina)
Ry Maria Renin’Andriamanitra be voninahitra, Mpanjakavavin’ny Raozery Masina indrindra, izay nitia an’i Md Dôminìka tamin’ny fitiavan-dreny, ary notiaviny sy nohajainy fatratra, jereo amin’ny fo miantra izahay noho ny fahamendrehany, ka ento miaraka aminy eo amin’i Jesoa Zanakao izany fangatahanay izany. Maniry izahay manomboka izao, ny ho tia an’i Jesoa Zanakao amin’ny fonay manontolo sy ny herinay rehetra, ary mametra-tena eo ambany fiarovanao, mba hahazoanay ny fahasoavana rehetra hanompoanay Azy amim-pinoana ety an-tany, ka hiara-paly Aminy mandrakizay any an-danitra. Amen!